-
Neste volume clássico, o bispo Dag Heward-Mills apresenta uma extensa e prática visão a respeito do casamento. Este extraordinário livro servirá como um material de recurso já preparado, tanto para o conselheiro matrimonial quanto para o casal. Você certamente vai descobrir neste exemplar dicas renovadas e interessantes para melhorar o seu casamento.
-
Eto ihany ny farany ilay boky natokana ho an'ireo pasitera sy vadina pasitera! Tsy mihatra aminao ity boky ity raha tsy pasitera ianao na vadina pasitera! Raha mahafeno ny fepetra amin' ireo afaka mamaky ity boky ity ianao, dia avelao Andriamanitra hitory aminao ao amin' ity boky mahatonga saina ity. Ao amin'ireo pejy ireo, ny andraikitra miafina lalaovin'ireo vehivavy eo amin' ny fiainan'ireo pasitera dia hiharihary. Hananatra anao sy hitarika anao any amin'ireo lalan' ny fitahiana anie ireo pejy ireo!
-
Ny harena sarobidin' ny hosotra dia ao amin'ny voahosotra. Ny hosotra dia tsy misaraka amin'ny olona izay voahosotra. Ny hosotra dia ao amin' ny lehilahin' Andriamanitra! Ny hosotra dia miaraka amin' ny lehilahin' Andriamanitra! Ny hosotra dia eo amin'ny lehilahin' Andriamanitra. Ity boky vaovao sy mampientanentana izay nosoratan' i Dag Heward-Mills ity dia hampientanentana ireo izay mikatsaka ny hosotra.
-
Fantatrao ve fa ny fiainan'ny olona eto an-tany dia ady? Ao anaty ady isika na nisafidy ny ho ao anaty ady na tsia. Ny Baiboly no miteny fa ady ny fiainanao. Tsy maintsy miady ny ady tsara ianao ary mandresy ny ady. Ity boky vaovao momban' ny ady ity dia boky tsy maintsy vakian'ireo mpitarika rehetra.
-
Ity filazana lalina ity hoe "Ny iray aminareo dia ratsy" dia nataon' I Jesosy Kristy tamin'ny antoko keliny nisy ireo mpianany roa amby folo. Maro amintsika no hampijalian' ny devoly satria isika tsy mahalala ny fomba fampiharihariana azy na ny famantarana ny asa-tanany. Ao amin' ity boky feno fitahiana ity, no hahitanao ny otan' ny devoly ary hanapahanao hevitra tsy handeha mandrakizay ao amin' ireny. Tsy hihatra aminao mandrakizay anie ny fehezanteny hoe" ny iray aminareo dia ratsy"!
-
Miresaka karazan-drà maro ny Baiboly: ran’osy, ran’ ondry, ram-boromailala! Mametraka mazava tsara ihany koa ny Baiboly far aha tsisy fandatsahan-drà dia tsy misy fanadinoana ny fahotana. Noho izany, afaka manila ny fahotantsika ve ireo karazan-draha maro samihafa rehetra ireo? Tsisy afa-tsy ny ran’ I Jesosy Kristy ihany! Ny ran’ I Jesosy irery ihany no manana hery manasa ny fahotantsika sy mitondra famonjena ho antsika. Hahita fahamarinana masina mikasika ny ran’ I Jesosy Kristy ianao ao anatin’ity boky tena manan-danja ity. Ho fantatrao ao hoe ahoana no anomezan’ ny ran’ I Jesosy fiainana ary ahoana no mahazava-dehibe ny ran’ I Jesosy.Ho azonao ny fifandraisana eo amin’ ny Fanahy Masina sy ny ran’ I Jesosy. Tena misy hery tokoa ny ran’ I Jesosy!
-
Mananatra antsika ny Baiboly hoe: "Aza samy mihevitra ny azy ihany, fa samy ny an' ny namany koa." (Filipiana 2:4). Ao amin'ity boky ara-potoana ity, i Dag Heward-Mills dia mametraka fanamby aminao handehananao mihoatra ny fieritreretanao ny momban'ny tenanao ka hieritreretanao ny hafa ihany koa! Tiavo ihany koa ny hafa! Hevero ihany koa ny hafa! Miahỳ ny hafa ihany koa! Miainà ho an' ny hafa ihany koa! Tonga maty ho antsika I Jesosy satria Izy nieritreritra momban' ny "hafa". Te ho toa Azy kokoa aho. Te ho toa an' I Jesosy ve ianao?
-
Na dia loha-hevitra tsy mahazatra aza, ny fiverenan-dàlana dia trangan-javatra fahita foana eo amin’ ny Kristiana.Maro no manomboka, fa tsy tena maro no maharitra hatramin’ ny farany. Ao amatin’ ity boky ity, mampaneno ny kiririoka I Bishop Dag Heward-Mills, mampiseho an-tsary mihintsy ny antony tsy maintsy hanohizantsika hanao izany hatrany an-Danitra!
-
Ny Fitombon’ ny Fiangonana dia fantatsika fa tsy azo tsapain-tànana ary sarotra vitaina. Ireo pastera rehetra maniry ny hitomboan’ ny fiangonany.Ity boky ity no valin’ ny fitadiavanao fitombon’ ny fiangonana.Ho azonao ny mahatonga ilay hoe “miara miasa ireo zavatra maro samihafa” hanatanterahana ny fitombom-piangonana. Ry pasitera malala, araka ny fahitan’ireo teny sy hosotra ao amin’ ity boky ity ny lalany anatin’ ny fonao dia hiaina ilay fitobom-piangonana izay efa nentinao am-bavaka hatrizay ianao.
-
Mandeha eo anivon’ ny loza, fandrika ary fitaka maro ny Kristiana. Hanokatra ny masonao amin’ ireo loza voahevitra tsara miandry hamely, handratra sy hamotika antsika ity boky ity. Ampio ny tenanao, vonjeo ny tenanao ary afaho ny tenanao amin’ ny alalan’ ity boky mahery vaika mikasika ny Loza ara-panahy ity! Araka ity boky tena miavaka nosoratan’ i Dag Heward-Mills ity dia tsy maintsy mamela ny Fanahy Masina mitaona, manainga,mikasika sy manova ny fiainanao ianao mandrakkizay.
-
Tsy isalasalana fa ireo izay nanomana dia miavaka amin'ireo izay tsy nanao izany. Ny fiomanana dia fanomanana ny tenanao amin'ny asa iray eo am-pelatananao. Ao amin’ny Baiboly manontolo, dia asaina miomana amin’izay ho avy isika ary manomana ny tenantsika ho vonona. Hitan’Andriamanitra ny dingana rehetra ataonao mba ho azo antoka fa niomana ny hanatontosa ny Sitrapony ianao. Ny fahavononanao hanompo ny Tompo dia miankina amin’ny fiomananao! Mariho fa na isika aza dia mila miomana rehefa hihaona amin’Andriamanitra! Amin'ity lohateny nandrasan'i Dag Heward-Mills ity, dia hotarihina ianao ahoana ny tokony hatao hiainana ao anaty fahavononana sy fiomanana amin'ny asa tsara rehetra antsoin'Andriamanitra ho ataonao! Hanomboka hiavaka ianao amin'ny alalan'ity boky ity!
-
“… Mandehana ho eny amin’ ny lalambe sy ny sisim-boly, ka tereo ny olona hiditra, MBA HO FENO NY TRANOKO” Lioka 14: 23. Ny ventsom-pon’ Andiamanitra dia ny ahavonjy izao tontolo izao ary ny ahafeno ny tranony – ny fiangonana! Avy amin’ io Fanambarana io no nahaterahan’ ity boky ity, “Fiangonana Goavana” nosoratan’ I Eveka Dag Heward- Mills, mpitandrina ny fiangonana anisan’ ireo fiangonana lehibe indrindra ao Ghana. Tsy ho toy ny teo aloha intsony ny Fiangonanao rehefa avy mamaky ity boky mampahomby ity ianao! “Dr. Heward Mills dia nanolo-tena ho an’ I Jesosy Kristy Tompo sy ny asa fitoriana filazan-tsara eto maneran-tany. Mpitarika Lehibe sy maodely ho an’izay rehetra ao amin’ ny asa fanompoana, ary izahay eto amin’ ny “Church Growth International”, dia tena faly tokoa fa mahafantatra sy miantso an’ i Dr. Dag Heward- Mills hoe namana sy mpiara-miasa ato amin’ ny saham-pijinjana lehibe eto amin’ izao tontolo izao.”-Dr. David Yonggi Cho Filoha, Church Growth International.