-
Feno olona mahay mihatsaravelan-tsihy izay afaka ny ho tonga mpamadika tanteraka ny fiangonana. Ny fanalahidin’ ny satana lehibe indrindra hatrizay dia ny fitaka sy ny fihatsaram-belatsihy. Ireo mpitarika tsy mahita izay saroman’ ny saron-tavan’ ny mpihatsaravelatsihy dia hijaly amin’ ny fahajambany. Fanahy ratsy miady amin’ ny asa fanompoana ny fandrahonana, fifankazarana tafahoatra ary ny fikorontanan-tsaina. Amin’ ny akamaroan’ ny fotoana dia tsy fantatrin’ ny olona akory izay miady aminy. Hanamp anao hamantatra sy heady ny fahavalo avy ao anatinao ity boky ity.
-
Ny olona mandao anao dia afaka ny hanimba anao.Tsy hita izay hanoritsoritana ny fahakiviana, fikorotanan-tsaina, ary tebiteby milatsaka ao aminao rehefa misy olona manalavitra anao. Nosoratana ity boky ity hanampiana anao hiady amin’ ny fahasimbana izay mitady hahazo anao rehefa mandao anao ny olona. Aoka ianao tsy ho voafitaka. Tsy mbola ianao sy ny asa fanompoanao irery no nisy nandao sy nilaozan’ ny olona. Maro no efa nisedra fahoriana tamin’io zavatra io. Satana no nikomy voalohany ary nanainga ny mpikomy rehetra izy avy eo. Miaraka amin’ ity boky ity eny am-pelatananao no hifohazanao ka hiadivanao amin’ ireo fanahin’ ny fivadihana votsotra noho “ireo izay mandao”.
-
Tsy mahatsiaro izay natao taminy ary matetika misafidy ny hanadino ireo zavatra sasantsasany ireo olona mpikomy. Tsy nahatsiaro izay nataon’ ny Tompo ho azy i Jodasy, tsy tsarony ihany koa ireo hitany sy reny tamin’ I Jesosy.Izay ny antony nahatonga azy ho ilay nanana toe-tsaina ambany fantatsika ankehitriny hoe ‘Jodasy’. Ny fahafahana mahatsiaro dia isan’ ny kalitao ara-panahy manan-danja indrindra tokony ananan’ny mpanompon’ Andriamanitra. Ireo olona tsy mahatadidy dia tsy mahomby foana matetika. Tsy vitan’ izy ireo fotsiny tsotra izao ny misandratra amin’ ny ambonimbony kokoa. Ity boky miavaka mikasika an’ io foto-kevitra tsy dia firesaka firy ity, dia fanomezana avy amin’ Andriamanitra ho anao.
-
Ity boky ity dia dia-penin’i Dag Heward-Mills hafa indray ho an’ireo mpanompon’ Andriamanitra izay mamaky izany. Mamaly ireo fanontaniana mikasika ny fomba fitondrana ny fifandraisana manahirana misy eo amin’ ireo ray sy ireo zanaka lahy ity boky ity. Amin’ ny alalan’ ny fampianarana hita ato amin’ ity boky ity dia hanalavitra ny ozona eo amin’ ny fiainana ianao ary hitondra fitahiana an’ ny tenanao. Olona miavaka ireo ray ilay mpanandratra ireo zanaka lahy sy ireo izay eo ambany fiarovany. Raha tsy misy ny ray dia tsy hisy ireo zanaka hanohy ny asa fanompoana ho an’ ny taranaka hafa. Mamelana na maty araka ny fahaizanao mifandray amin’ ireo rainao ny antson’ Andriamanitra. Vakio ity boky ity koa ialao ny ozona mifandray amin’ ny tsy fanajana, tsy fankatoavana sy fifandraisana kely fotsiny amin’ireo ray.
-
Ny avonavona dia poizina mahafaty izay nahavoa ny olombelona mandritry ny taona maromaro. Satria tsy mety hita, dia avonavona dia mahavita miteraka fahavoazana lehibe. Ahoana no ahafahantsika miady amin' ireo loza eo amin' ny fiainantsika? Amin' ny vaksinin' ny fanetren-tena! Ny Fanetren-tena dia hatsaran-toetra ara-panahy manan-danja. Vitsy ireo olona mahasahy manoratra mikasika ity hatsaran-toetra ara-panahy mahavariana nefa manan-danja ity. Ao anatin' ity boky vaovao mahafinaritra ity,dia mampiharihary ireo endriky ny avonavona maro i Dag Heward-Mills. Ity boky mahery vaika, nosoratan' ny namana Kristianina nitolona mafy ity, dia hitahy anao sy hamporisika anao hampandroso ny fanetren-tenan' ny Jesosy Kristy tahaka ny ankizy kely.
-
Na dia fangatahan’ Andriamanitra voalohany amin’ ny mpitarika aza izany dia vitsy tokoa ireo zavatra voasoratra mikasika an’io loha-hevitra io. Tsipihan’ i Dag Heward-Mills mazava tsara ireo fomba fanao tena manan-danja ao anatin’ ity boky ity izay mba hampitombi ny tsy fiovaovana ao amin’ ny fiangonana. Ny zavatra voarakitra ao amin’ ity boky ity dia tena mety sady mora ampiharina hany ka lasa fitaovana tsy azo ialana ho an’ ireo mpitondra fiangonana.
-
Mananatra antsika ny Baiboly hoe: "Aza samy mihevitra ny azy ihany, fa samy ny an' ny namany koa." (Filipiana 2:4). Ao amin'ity boky ara-potoana ity, i Dag Heward-Mills dia mametraka fanamby aminao handehananao mihoatra ny fieritreretanao ny momban'ny tenanao ka hieritreretanao ny hafa ihany koa! Tiavo ihany koa ny hafa! Hevero ihany koa ny hafa! Miahỳ ny hafa ihany koa! Miainà ho an' ny hafa ihany koa! Tonga maty ho antsika I Jesosy satria Izy nieritreritra momban' ny "hafa". Te ho toa Azy kokoa aho. Te ho toa an' I Jesosy ve ianao?
-
Ja jūs esat kristietis, Svētajam Garam būtu jābūt vislielākajai un vissaldākajai ietekmei jūsu dzīvē. Ar šīs grāmatas palīdzību jūs izpratīsiet, kā Svētais Gars var ietekmēt jūsu personību, jūsu sirdsapziņu, jūsu radošumu un pat jūsu spēju būt svētiem. Kā ceļvedi izmantojot šo lielisko Dāga Hjūarda-Milza grāmatu, jums ir jāļauj Svētajam Garam jūs ietekmēt, iedvesmot un izmainīt jūsu dzīvi uz visiem laikiem.