I Bishop Dag Heward-Mills dia dokotera medikaly raha ny asa nataony ary mpanorina ny United Denominations Originating from the Lighthouse Group of Churches (UD-OLGC) na ny fiangonana mitambatra niorina avy amin’ireo fiangonan’ny mpikambana Lighthouse. Ny UD-OLGC dia ahitana fiangonana telo arivo entin’ireo mpanompon’Andriamanitra voahosotra, nitombo sy niofana tao. I Bishop Dag Heward-Mills no miahy ireo fikambanam-piangonana karismatika ireo, izay hita manerana ireo firenena maro samihafa 90 ao Afrika,Azia,Eoropa, any Karibiana,Aostralia, sy Amerika Avaratra sy Atsimo.
Tao amin’ny asa fanompoana maherin’ny dimy amby roapolo taona, i Dag Heward-Mills dia mpanoratra boky maro isan’ny be mpividy indrindra,ao anatin’izany ny ‘Fahaiza-Mitarika’, ‘Fahatokiana sy Fivadihana’, sy ‘Ny Fiangonana Goavana’. Izy dia fantatra ho mpanoratra mpamoaka boky lehibe indrindra ao Afrika, manana ireo bokiny voadika amin’ny fiteny 30 ary mihoatra ny 20 tapitrisa ireo boky voadika efa natonta.
-
Raha mpiandry ny andian’ondrin’andriamanitra ianao dia ho ampiana be tokoa noho io asa tena tsara io. Mirakitra ny fampianarana amin’ ny antsipiriany sady voafantina tsara, antoky ny fahombiazanao ireto pejy ireto. Miainga avy amin’ ny traikefa maha-mmpiandry azy nandritry ny telopolo taona mahery i Eveka Dag Heward-Mills, mba hizarana fahazavan-tsaina azo ampiharina ao amin’ ny asa fanompoana.Tokony maniry ny ho tonga mpiandry ny olon’ Andriamanitra ve ianao, ity ilay boky manoro làlana notadiavinao hatrizay.
-
Zavatra iray ihany no tonga ao an-tsainao rehefa maheno ny teny hoe “Mpiandry ondry” ianao – ondry! Ny ondry dia zava-manan’aina tsy mahaleo tena mila mpiandry. Ny mpiandry dia mpitari-dàlana mikarakara sy mitia ny ondry. Ao anaty baiboly Andriamanitra dia mahita antsika toy ny ondry eny amin’ ny ahitr’ Andriamanitra. Niteny an’I Petera ihany koa Jesosy hamahana ny ondriny mba ho porofon’ ny fitiavany ny Mpamonjiny. Ny maha mpiandry dia asa tena lehibe. Tena voninahitra lehibe ny voaantson’ Andriamanitra hiditra ao amin’ ny asany sy ny fikarakarana ny ondriny. Manasa antsika, manentana antsika ary maneho antsika ny fomba mety hidirantsika amin’ ny asa lehibe dia ny fiambenana ny olon’ Andriamanitra. Aoka ianao tsy ho tara amin’ io asa mahafinaritra amin’ ny fahatongavana mpiandry io!
-
Dia fahafantarana mampavitribitrika ny fanarahana an’ Andriamanitra. Fahaiza-mianatra taloha nosafidin’ I Jesosy Kristy ho fitsipika nentiny nampiofanana ny fanarahana sy ny fandikana ny hafa. Fotoana hatakarana ny fahatsarana sy ny fanetren-tena amin’ ny fahaiza-manaraka izao fa tsy fialana lavitra izao fotoanan’ ny fomba fampiofanana.Ho hitanao ato amin’ ity boky ity hoe iza, inona ary ahoana ny manaraka tsara. Manome toerana tokony hisy ny fahaiza- manaraka eo amin’ ny traikefantsika Kristiana ity boky feno faranitan-tsaina nosoratan’ i Dag Hewar-Mills ity.
-
Ny hoe mampandroso fahaizana dia mampandroso fahaiza-manao na paik’ ady. Ny Baiboly dia milaza fa ny fiarovana dia ho an’ ny olon hendry. Ny asa ao amin’ ny asa fanompoana dia mitaky fahaiza-manao goavana. Tena loharano ilaina tanteraka ity boky “Fahaizana Manao Ministera” ity ho an’ireo rehetra maniry ny anao ny asan’ ny ministera. Manolotra mazava tsara ny fieritreretana mety sy ny tsy mety mikasika ny ministera, ny asa hita ao amin’ny ministera, ny zavatra takiana aminao amin’ ny maha mpiasa anao ao amin’ ny ministera sy ny fomba fanaovana ny raharaha ao amin’ ny ministera. Efa nametra-panontaniana mikasika ny asanao ao amin’ ny ministera ve ianao?Hametraka fanamby anao ity boky nosoratan’ i Dag Heward-Mills ity handehananao mendrika ny antson’ Andriamanitra sy hitarika anao hanome ny tenanao manontolo amin’ny asan’ ny ministera.
-
Tsy misy foto-dresaka tsara mihoatra ny hoe anaty sitra-pon’ Andriamanitra marina. Ny zavatra iray tena mampiavaka ny ministeran’ ny filazantsara dia ny fahaizany mihaino ny feon’ Andriamanitra an-tsakany sy an-davany. Tena zava-dehibe tokoa ny manaraka ny Fanahy Masina ho ao amin’ ny sitrapon’ Andriamanitra marina. Rehefa ao anatin’ ny sitrapon’ Andriamanitra marina ianao dia hamelana sy hahavita izay irinao rehetra ho an’ Andriamanitra. Ity asa mahatalanjona nataon’i Dag Hewrd-Mills ity dia hisy fiatraikany lehibe eo amin’ ny fiainanao sy ny asa fanompoana.
-
Ny dikan’ilay teny Grika hoe LAIKOS dia “Tsy fananana fahiza-manao”. Nampianatra antsika hatrany hatrany ny tantara fa zavatra lehibe maro no vitan’ ireo olona “tsy manana fahaiza-manao”. Mianara, amin’ ny alalan’ ity boky miavaka nosoratan’ I Dag Heward –Mills ity, ny zava-miseho rehefa tsy misy olon-tsotra miasa ao am-piangonana;ny fomba fizarana ny zioga miaraka amin’ ny olona laika sy ny antony tsy maintsy iadintsika hiarovana ny ministera laika.
-
Ny antso ho amin’ ny asa fanompoana dia antso ho amin’ n fitantanana. Dr. Heward-Mills dia maneho indray ireo fitsipika arahina nahatonga azy ho mpitarika Kristianina miavaka, sady toromarika natao ho an’ ny rehetra sy azo apiharina. Ireo fahamarinana voalaza eto dia hanainga fanahy ny maro ho amin’ ny fahaiza-mitantana.
-
Fantatrao ve fa ny fiainan'ny olona eto an-tany dia ady? Ao anaty ady isika na nisafidy ny ho ao anaty ady na tsia. Ny Baiboly no miteny fa ady ny fiainanao. Tsy maintsy miady ny ady tsara ianao ary mandresy ny ady. Ity boky vaovao momban' ny ady ity dia boky tsy maintsy vakian'ireo mpitarika rehetra.
-
Isika rehetra dia samy miandrandra ilay fiainana feno voninahitra izay "TSY HISY OZONA INTSONY!" Ny antony dia satria eto amin'ity fiainana ity isika miatrika zava-doza, fahasorenana miverimberina, zava-poana, tsy fifaliana ary fahasosorana. Ozona no tena mahalaza ireo traikefa mampalahelo toa hatrehantsika ireo. Afa-mandositra ve isika? Misy làlana ivoahana ve? Ity boky ity dia hanampy anao hahatakatra ireo ozona sy hahalala ny fomba fandaharanao ny tenanao ho amin'ny fitahiana.
-
Miresaka karazan-drà maro ny Baiboly: ran’osy, ran’ ondry, ram-boromailala! Mametraka mazava tsara ihany koa ny Baiboly far aha tsisy fandatsahan-drà dia tsy misy fanadinoana ny fahotana. Noho izany, afaka manila ny fahotantsika ve ireo karazan-draha maro samihafa rehetra ireo? Tsisy afa-tsy ny ran’ I Jesosy Kristy ihany! Ny ran’ I Jesosy irery ihany no manana hery manasa ny fahotantsika sy mitondra famonjena ho antsika. Hahita fahamarinana masina mikasika ny ran’ I Jesosy Kristy ianao ao anatin’ity boky tena manan-danja ity. Ho fantatrao ao hoe ahoana no anomezan’ ny ran’ I Jesosy fiainana ary ahoana no mahazava-dehibe ny ran’ I Jesosy.Ho azonao ny fifandraisana eo amin’ ny Fanahy Masina sy ny ran’ I Jesosy. Tena misy hery tokoa ny ran’ I Jesosy!