I Bishop Dag Heward-Mills dia dokotera medikaly raha ny asa nataony ary mpanorina ny United Denominations Originating from the Lighthouse Group of Churches (UD-OLGC) na ny fiangonana mitambatra niorina avy amin’ireo fiangonan’ny mpikambana Lighthouse. Ny UD-OLGC dia ahitana fiangonana telo arivo entin’ireo mpanompon’Andriamanitra voahosotra, nitombo sy niofana tao. I Bishop Dag Heward-Mills no miahy ireo fikambanam-piangonana karismatika ireo, izay hita manerana ireo firenena maro samihafa 90  ao Afrika,Azia,Eoropa, any Karibiana,Aostralia, sy Amerika Avaratra sy Atsimo.

Tao amin’ny asa fanompoana maherin’ny dimy amby roapolo taona, i Dag Heward-Mills dia mpanoratra boky maro isan’ny be mpividy indrindra,ao anatin’izany ny ‘Fahaiza-Mitarika’, ‘Fahatokiana sy Fivadihana’, sy ‘Ny Fiangonana Goavana’. Izy dia fantatra ho mpanoratra mpamoaka boky lehibe indrindra ao Afrika, manana ireo bokiny voadika amin’ny fiteny 30 ary mihoatra ny 20 tapitrisa ireo boky voadika efa natonta.

  • Maro no nantsoina fa vitsy no voafidy (Matio 23:14) Hita amin'ny fiainana eny tokoa fa maro ny olona nomena fahafahana maro, saingy vitsy tamin'ireny ihany no nanaraotra ireny fahafahana nisokatra ireny. Raha mijery ny Baiboly manontolo koa isika dia hita fa misy karazan'olona tao nantsoina, fa vitsy no voafidy taty aoriana. Nahoana moa no vitsy no voafidy? Io no fanontaniana ngeza indrindra hiezahana ho valiana ato anatin'ity boky ity. Rehefa voavakinao ity boky tsy manam-paharoa ity, izay nosoratan'ilay mpanoratra, be mpividy indrindra ny bokiny, dia Dag Heward-Mills, dia ho hitanao miverimberina ao ireo olona maro nantsoina nefa vitsy no voafidy. Enga anie tsy raisinao tsotsotra ilay antso ary hiasa mafy ianao ho iray amin'ireo voafidy.
     
  • Ny tanjona mandrakizain’Andriamanitra ho antsika dia fahavokarana. Ao amin’ny Jaona15:16, Jesosy Tompo dia nanendry ny mpianany mba handeha sy hamoa”. Mijery anao Andriamanitra tahaka ny hazo iray tsy maintsy mamoa. Ao amin'ity boky feno fampiharana ity, Bishop Dag Heward-Mills dia mitondra antsika ao amin’ny Lalàn'ny Fahavokarana ara-Baiboly isan-karazany nalaina avy ao anaty Baiboly. Ho taitra ianao mba hamoa be dia be- ary voa izay haharitra tokoa!
  • Ato anatin'ity boky feno fahendrena ity Dag Heward-Mills dia miresaka momba izay hitranga eo amin'ny BEMA –ilay toeram-pitsaran'i Kristy. Na dia efa voavela aza ny fahotantsika dia misy fitsarana miandry ny mpino rehetra. Ny fitsarana dia mifototra amin'ny zavatra nataonao, ireo miafina rehetra ary ny antony manosika anao hanao ilay zavatra. Tena zava-dehibe eo amin’ny fiainana ny fanapahan-kevitra. Ny tsy fisian'ny fitsarana dia midika tsy fisian'ny fanapahan-kevitra! Ny tsy fisian'ny fitsarana dia miteraka korontana! Ny fahaizan’ny mpanoratra mamaly ireo fanontaniana toy ny hoe “Inona no atao hoe Fitsarana?” “NahoananyFitsarana?”, ary nahoana Andriamanitra no tia fitsarana, dia hitarika anao ho amin’ny fanatsoahan-kevitra fa ny fitsarana sy ny rariny dia zavatra tsy maintsy ianarana sy takarina ary halalinina mba ho vonona amin’ny Andro Fitsarana!
  • Tsy isalasalana fa ireo izay nanomana dia miavaka amin'ireo izay tsy nanao izany. Ny fiomanana dia fanomanana ny tenanao amin'ny asa iray eo am-pelatananao. Ao amin’ny Baiboly manontolo, dia asaina miomana amin’izay ho avy isika ary manomana ny tenantsika ho vonona. Hitan’Andriamanitra ny dingana rehetra ataonao mba ho azo antoka fa niomana ny hanatontosa ny Sitrapony ianao. Ny fahavononanao hanompo ny Tompo dia miankina amin’ny fiomananao! Mariho fa na isika aza dia mila miomana rehefa hihaona amin’Andriamanitra! Amin'ity lohateny nandrasan'i Dag Heward-Mills ity, dia hotarihina ianao ahoana ny tokony hatao hiainana ao anaty fahavononana sy fiomanana amin'ny asa tsara rehetra antsoin'Andriamanitra ho ataonao! Hanomboka hiavaka ianao amin'ny alalan'ity boky ity!
  • Eto ihany ny farany ilay boky natokana ho an'ireo pasitera sy vadina pasitera! Tsy mihatra aminao ity boky ity raha tsy pasitera ianao na vadina pasitera! Raha mahafeno ny fepetra amin' ireo afaka mamaky ity boky ity ianao, dia avelao Andriamanitra hitory aminao ao amin' ity boky mahatonga saina ity. Ao amin'ireo pejy ireo, ny andraikitra miafina lalaovin'ireo vehivavy eo amin' ny fiainan'ireo pasitera dia hiharihary. Hananatra anao sy hitarika anao any amin'ireo lalan' ny fitahiana anie ireo pejy ireo!

  • Ao anatin'ity boky tsotra ity i Dag Heward-Mills dia manome fomba fijery mazava azo ampiharina momba ny fanambadiana. Ity boky mahatalanjona ity dia ho toy ny fitaovana ilaina voaomana ho an'ny mpanolon-tsaina amin' ny mariazy sy ireo mpivady vita mariazy. Ho hitanao ato amin'ity boky ity tokoa ireo torohevitra mamelombelona sy mampientanentana mba hanatsarana ny fanambadianao.

  • Mandeha eo anivon’ ny loza, fandrika ary fitaka maro ny Kristiana. Hanokatra ny masonao amin’ ireo loza voahevitra tsara miandry hamely, handratra sy hamotika antsika ity boky ity. Ampio ny tenanao, vonjeo ny tenanao ary afaho ny tenanao amin’ ny alalan’ ity boky mahery vaika mikasika ny Loza ara-panahy ity!

  • Hanasitrana ny ratran’ ireo zanakavavy ity boky ity!Ao antin’ ity boky izay efa niandrasana fatratra ity, dia anaovana fanamby ny vehivavy hamela ny fanampian’ Andriamanitra hanampy azy ireo handresy ireo zava-misy maro tsy hay atao izay sedrainy.Hikasika ny fiainanao Andriamanitra ary hanome hery ho anao raha makafy ity boky vaovao mahery vaika, nosoratana manokana ho an’ ireo zanakavavy ity ianao

  • "Ary raha mitsangana mivavaka hianareo, ka misy olona anananareo alahelo, dia MAMELA NY HELONY, mba havelan' ny Rainareo Izay any an-danitra kosa ny helokareo.Fa RAHA HIANAREO TSY MAMELA HELOKA, NY RAINAREO IZAY ANY AN-DANITRA KOSA TSY HAMELA NY HELOKAREO. (Marka 11: 25-26). Mampangovitra anao ve ireo andinin-tsoratra masina roa ireo? Noho izany eto ny vaha-olanao. Ao amin' ity boky tena ilaina fatratra ity no hianaranao mamela heloka mora foana - mba ahafahana mankafy ny famelan-keloky ny Raintsika any an-danitra ihany koa. Avelao ity boky ity hanaraka anao mandram-pahatonga anao eo amin' ny teboka iray izay hahavitanao mamela heloka mora foana sy amin-kitsimpo.

  • Na dia loha-hevitra tsy mahazatra aza, ny fiverenan-dàlana dia trangan-javatra fahita foana eo amin’ ny Kristiana.Maro no manomboka, fa tsy tena maro no maharitra hatramin’ ny farany. Ao amatin’ ity boky ity, mampaneno ny kiririoka I Bishop Dag Heward-Mills, mampiseho an-tsary mihintsy ny antony tsy maintsy hanohizantsika hanao izany hatrany an-Danitra!

  • Ity boky tsy manam-paharoa ity dia hahitanao ireo andinin' ny Baiboly fototra izay tokony tadidinao. I Jesosy dia nitadidy soratra masina - Noho izany koa isika tsy maintsy! Ndao hataontsika tanjontsika nymitadidy soratra masina sy mampandroso toetra tsara sy mivoatra. Mpanaraka an'I kristy isika!

  • Ao anatin’ ity boky ity dia maneho ireo mpino ny fanalahidy lehibe indrindra handraisana fitahina ara-panahy, ara-batana, ara-bola, ary aram-pitaovana!

Title

Go to Top