-
Ny avonavona dia poizina mahafaty izay nahavoa ny olombelona mandritry ny taona maromaro. Satria tsy mety hita, dia avonavona dia mahavita miteraka fahavoazana lehibe. Ahoana no ahafahantsika miady amin' ireo loza eo amin' ny fiainantsika? Amin' ny vaksinin' ny fanetren-tena! Ny Fanetren-tena dia hatsaran-toetra ara-panahy manan-danja. Vitsy ireo olona mahasahy manoratra mikasika ity hatsaran-toetra ara-panahy mahavariana nefa manan-danja ity. Ao anatin' ity boky vaovao mahafinaritra ity,dia mampiharihary ireo endriky ny avonavona maro i Dag Heward-Mills. Ity boky mahery vaika, nosoratan' ny namana Kristianina nitolona mafy ity, dia hitahy anao sy hamporisika anao hampandroso ny fanetren-tenan' ny Jesosy Kristy tahaka ny ankizy kely.
-
Ity boky ity dia dia-penin’i Dag Heward-Mills hafa indray ho an’ireo mpanompon’ Andriamanitra izay mamaky izany. Mamaly ireo fanontaniana mikasika ny fomba fitondrana ny fifandraisana manahirana misy eo amin’ ireo ray sy ireo zanaka lahy ity boky ity. Amin’ ny alalan’ ny fampianarana hita ato amin’ ity boky ity dia hanalavitra ny ozona eo amin’ ny fiainana ianao ary hitondra fitahiana an’ ny tenanao. Olona miavaka ireo ray ilay mpanandratra ireo zanaka lahy sy ireo izay eo ambany fiarovany. Raha tsy misy ny ray dia tsy hisy ireo zanaka hanohy ny asa fanompoana ho an’ ny taranaka hafa. Mamelana na maty araka ny fahaizanao mifandray amin’ ireo rainao ny antson’ Andriamanitra. Vakio ity boky ity koa ialao ny ozona mifandray amin’ ny tsy fanajana, tsy fankatoavana sy fifandraisana kely fotsiny amin’ireo ray.
-
Tsy mahatsiaro izay natao taminy ary matetika misafidy ny hanadino ireo zavatra sasantsasany ireo olona mpikomy. Tsy nahatsiaro izay nataon’ ny Tompo ho azy i Jodasy, tsy tsarony ihany koa ireo hitany sy reny tamin’ I Jesosy.Izay ny antony nahatonga azy ho ilay nanana toe-tsaina ambany fantatsika ankehitriny hoe ‘Jodasy’. Ny fahafahana mahatsiaro dia isan’ ny kalitao ara-panahy manan-danja indrindra tokony ananan’ny mpanompon’ Andriamanitra. Ireo olona tsy mahatadidy dia tsy mahomby foana matetika. Tsy vitan’ izy ireo fotsiny tsotra izao ny misandratra amin’ ny ambonimbony kokoa. Ity boky miavaka mikasika an’ io foto-kevitra tsy dia firesaka firy ity, dia fanomezana avy amin’ Andriamanitra ho anao.
-
Ny olona mandao anao dia afaka ny hanimba anao.Tsy hita izay hanoritsoritana ny fahakiviana, fikorotanan-tsaina, ary tebiteby milatsaka ao aminao rehefa misy olona manalavitra anao. Nosoratana ity boky ity hanampiana anao hiady amin’ ny fahasimbana izay mitady hahazo anao rehefa mandao anao ny olona. Aoka ianao tsy ho voafitaka. Tsy mbola ianao sy ny asa fanompoanao irery no nisy nandao sy nilaozan’ ny olona. Maro no efa nisedra fahoriana tamin’io zavatra io. Satana no nikomy voalohany ary nanainga ny mpikomy rehetra izy avy eo. Miaraka amin’ ity boky ity eny am-pelatananao no hifohazanao ka hiadivanao amin’ ireo fanahin’ ny fivadihana votsotra noho “ireo izay mandao”.
-
Feno olona mahay mihatsaravelan-tsihy izay afaka ny ho tonga mpamadika tanteraka ny fiangonana. Ny fanalahidin’ ny satana lehibe indrindra hatrizay dia ny fitaka sy ny fihatsaram-belatsihy. Ireo mpitarika tsy mahita izay saroman’ ny saron-tavan’ ny mpihatsaravelatsihy dia hijaly amin’ ny fahajambany. Fanahy ratsy miady amin’ ny asa fanompoana ny fandrahonana, fifankazarana tafahoatra ary ny fikorontanan-tsaina. Amin’ ny akamaroan’ ny fotoana dia tsy fantatrin’ ny olona akory izay miady aminy. Hanamp anao hamantatra sy heady ny fahavalo avy ao anatinao ity boky ity.
-
Ity filazana lalina ity hoe "Ny iray aminareo dia ratsy" dia nataon' I Jesosy Kristy tamin'ny antoko keliny nisy ireo mpianany roa amby folo. Maro amintsika no hampijalian' ny devoly satria isika tsy mahalala ny fomba fampiharihariana azy na ny famantarana ny asa-tanany. Ao amin' ity boky feno fitahiana ity, no hahitanao ny otan' ny devoly ary hanapahanao hevitra tsy handeha mandrakizay ao amin' ireny. Tsy hihatra aminao mandrakizay anie ny fehezanteny hoe" ny iray aminareo dia ratsy"!
-
Sekošana Dievam ir aizraujošs atklāšanas ceļš. Sekošana un citu cilvēku atdarināšana ir sena māksla, ko Jēzus Kristus izraudzījās par Savu galveno apmācības metodi. Pienācis laiks nevis attālināties no šīs laika pārbaudītās apmācības metodes, bet saprast sekošanas mākslas burvību un pazemību. Šajā grāmatā jūs atklāsiet, kam un kā pareizi sekot. Šī Dāga Hjūarda-Milza brīnišķīgā jaunā grāmata sekošanas mākslai ierāda pienācīgu vietu mūsu kristīgajā pieredzē.
-
Maniry ny ho voahosotra ve ianao? Mizara ireo dingana maromaro makany amin’ny fandraisana ny hosotra i Dr. Heward-Mills ao anatin’ ity boky araka ny tantara ity. Tena ho fitahiana lehibe indrindra ho anao sy ny asa fanompoanao tokoa ity boky ity. Fantaro ireo dingana mila raisinao ahavoahosotra anao!
-
Mandeha eo anivon’ ny loza, fandrika ary fitaka maro ny Kristiana. Hanokatra ny masonao amin’ ireo loza voahevitra tsara miandry hamely, handratra sy hamotika antsika ity boky ity. Ampio ny tenanao, vonjeo ny tenanao ary afaho ny tenanao amin’ ny alalan’ ity boky mahery vaika mikasika ny Loza ara-panahy ity! Araka ity boky tena miavaka nosoratan’ i Dag Heward-Mills ity dia tsy maintsy mamela ny Fanahy Masina mitaona, manainga,mikasika sy manova ny fiainanao ianao mandrakkizay.
-
Ny hosotra no fanalahidy lehibe indrindra ilaina hoentina manokatra ny varavarana mankany amin’ ny asa fanompoana mahomby sy miroborobo. Betsaka ny olona niezaka nanao ny asan’ Andriamanitra tsy tamin-kitim-po ,ary tsy lasa lavitra satria tsy tonga saina ny amin’ ny hoe “Tsy amin-kery na amim-pahatanjahana,fa amin’ ny Fanahiko (ny hosotra)” [Zakaria 4:6] Ity boky tsy manan-tsahala “Sambory ny hosotra” nosoratan’ I Eveka Dag Heward-Mills ity dia hampianatra anao ny atao hoe fisamborana ny hosotra sy ny fomba ahafahanao mampianatra izany! Avelao ny faniriana ny hosotr’ Andriamanitra hihetsika ao anatinao amin’ny alalan’ireo pejy hitanao ato amin’ity boky ity!