I Bishop Dag Heward-Mills dia dokotera medikaly raha ny asa nataony ary mpanorina ny United Denominations Originating from the Lighthouse Group of Churches (UD-OLGC) na ny fiangonana mitambatra niorina avy amin’ireo fiangonan’ny mpikambana Lighthouse. Ny UD-OLGC dia ahitana fiangonana telo arivo entin’ireo mpanompon’Andriamanitra voahosotra, nitombo sy niofana tao. I Bishop Dag Heward-Mills no miahy ireo fikambanam-piangonana karismatika ireo, izay hita manerana ireo firenena maro samihafa 90 ao Afrika,Azia,Eoropa, any Karibiana,Aostralia, sy Amerika Avaratra sy Atsimo.
Tao amin’ny asa fanompoana maherin’ny dimy amby roapolo taona, i Dag Heward-Mills dia mpanoratra boky maro isan’ny be mpividy indrindra,ao anatin’izany ny ‘Fahaiza-Mitarika’, ‘Fahatokiana sy Fivadihana’, sy ‘Ny Fiangonana Goavana’. Izy dia fantatra ho mpanoratra mpamoaka boky lehibe indrindra ao Afrika, manana ireo bokiny voadika amin’ny fiteny 30 ary mihoatra ny 20 tapitrisa ireo boky voadika efa natonta.
-
Nandray an'I Jesosy Kristy ho Tompo sy Mpamonjina ianao dia voavonjy! Kristiana nateraka inndray ianao ary voasoratra ao amin' ny bokin'ny fiainana ny anaranao. Ny fanontanianao dia hoe: "Inona no dingana raisina manaraka?" Dingana tsara ny nahatongavanao ho Kristiana, nefa fiatomboany fotsiny izany. Mila tonga Kristiana tsara, mahery ianao. 'Koa ahoana no anaovako izany?' - Ao amin'ity boky tsotra ity dia hianatra ireo dingana raisina hahatongavana sy hijanonana ho Kristiana mahery izay sady vonona ho amin' ny fahafatesana sy ho amin' ny fampakarana ianao.
-
Mamboraka ny iray amin’ ireo tsiambaratelony i Dr. Dag Heward-Mills, ilay mpitarika Kristiana tena miavaka. “Raha misy manontany ahy ny amin’ ny tsiambaratelo lehibe indrindra amin’ ny fifandraisako amin’ Andriamanitra, dia tsy ampisalasalana no hilazako fa ny herin’ ny fotoana mangina ananako miaraka Aminy isan’ andro izany.”Nanapa-kevitra ny hanoratra ity boky ity izy mba ahafahano mahazo tombotsoa avy amin’ ny herin’ ny fotoana mangina ihany koa.
-
“Ahoana no tokony fivavako? Mikasika ny inona no tokony ho entiko am-bavaka? Nahoana ny vavaka no tena zava-miafina?Ahoana no hivavahako mandritry ny fotoana lava-be? Tsy efa fantatr’ Andriamanitra sahady ve izay ilaiko? Inona no mitranga raha tsy mivavaka aho? Ho valina marina ve ny vavako?” Jereo ny valin’ ireo fanontaniana ireo eo am-pamakianao ity boky azo ampiharina sady tonga ara-potoana nosoratan’ I Dag Heward-Mills ity.
-
Ity boky ity dia toro-làlana tsara indrindra hahatakarana ny famonjena tamin’ ny alalan’I Jesosy Kristy.Ao antin’ityboky azo atao maodely ity, no hahatakaranao ny refim-pitiavan’ I Jesosy anao, ny fomba aterahanao indray, ny fomba hisorohanao ny fandehanana any amin’ ny helo ary ny dikan’ ny hoe tonga olom-baovao ao amin’ ny Kristy Jesosy.
-
Fantatrao ve fa ireo mpaminany taloha, nanontany sy nikaroka izao famonjena lehibe izay natao ho aseho antsika izao? Tsy nahazo sary an-tsaina izy hoe ahoana hahatongavan'ity famonjena ity amin' ny olona…fa isika dia sambatra mandray izao famonjena izao! Nahazo famonjena isika satria nisy olona niteny antsika mikasika izany. Ao anatin' ity boky mahavariana ity, i Evangelista Dag Heward-Mills mitarika antsika tsy hahatakatra ny famonjenantsika lehibe fotsiny ihany fa sady mampianatra antsika ny fomba fizarana ity filazantsaran'ny famonjena antsika ity amin' ireo hafa ihany koa. Hanao ny asan' ny evanjelista anie isika tsirairay avy!
-
Misy ve ny ankoatry ny voajanahary ankehitriny ?Afaka manao fandidina any amin’ ny ankoatry ny voajanahary ve aho?Raha mbola manasitrana ny olona Andriamanitra, Maninon’ Izy no tsy manasitrana ny olona rehetra?Ahoana no ahafahako mandray ny hosotry ny fanasitranana?Fantaro ny valin’ireo sy ny fanontaniana maro mikasika ny fisehon’ ny Fanahy Masina anatin’ ity boky mahafinaritra nosoratan’i Dag Heward-Mills ity.
-
Mianara mikasika ity hery fanerena ity izay mahatonga ny fitoriana filazan-tsara mahomby sy mahavokatra na dia eo anoloan’ ny fanoherana, fialan-tsiny, fiahiahiana, fahasorenana sns aza. Ity boky nosoratan’ ny Dag Heward-Mills ity dia afaka manao anao ho mpamonjy fanahin’ olona mihoatra noho ny hatrizay.
-
Ato anatin'ity boky feno fahendrena ity Dag Heward-Mills dia miresaka momba izay hitranga eo amin'ny BEMA –ilay toeram-pitsaran'i Kristy. Na dia efa voavela aza ny fahotantsika dia misy fitsarana miandry ny mpino rehetra. Ny fitsarana dia mifototra amin'ny zavatra nataonao, ireo miafina rehetra ary ny antony manosika anao hanao ilay zavatra. Tena zava-dehibe eo amin’ny fiainana ny fanapahan-kevitra. Ny tsy fisian'ny fitsarana dia midika tsy fisian'ny fanapahan-kevitra! Ny tsy fisian'ny fitsarana dia miteraka korontana! Ny fahaizan’ny mpanoratra mamaly ireo fanontaniana toy ny hoe “Inona no atao hoe Fitsarana?” “NahoananyFitsarana?”, ary nahoana Andriamanitra no tia fitsarana, dia hitarika anao ho amin’ny fanatsoahan-kevitra fa ny fitsarana sy ny rariny dia zavatra tsy maintsy ianarana sy takarina ary halalinina mba ho vonona amin’ny Andro Fitsarana!
-
Ao amin’ity asa miavaka ity,Dag Heward-Mills dia mandalina ny zava-misy marina amin’ny fiainana ao amin’ ny asa fanompoana ankehitriny.Miresaka mikasika ireo olana tena mitranga toy ny ara-bola, pôlitika, fifandraisa amin’ ny lahy sy ny vavy, sy ny resaka ao amin’ ny asa fanompoana. Toro-làlana iombonana mankany amin’ ny fitsipika mihatra amin’ ny antsona, tsy maintsy ananana ity boky ity ho an’ ireo Kristiana mpitarika rehetra. Tena takiana be mihintsy ho an’ ny fianarana baiboly ary ho an’ny mpitandrina amin’ ny akapobeny.
-
Manambara ny fitsipika mahataitra izay mamehy ny fanambinana sy ny harena I Jesosy Kristy. Hanana mihoatra ireo izay manana! Toa tsy rariny izy izany! Anefa, izany ny zava-misy miseho eo anoloantsika isan’ andro. Miezaka manazava an’ io Soratra masina vitsy mpahatakatra io ity boky ity. Handray fahazavan-tsaina lehibe ianao ao amin’ ny zava-mifin’ ny fanambinana, eo ampianarana ity boky vaovao nosoratan’ I Dag Heward-Mills ity.
-
Eo amban’ny fanerena te hampifaly sy hampatalanjona ny vahoaka amin’ ny vaovao tsara ireo pastera. Io tsindrin’ ny olona io no miteraka fanodikodinana ny tenin’ I Kristy mandrapahasarotra ny hamantararana ny hafatry ny hazofijaliana. Ankehitriny, miverina amin’ ny fahamarinana fototra amin’ny maha Kristiana isika ka tsy maintsy “manary” isika mba “hahazo” an’I Kristy. Hiverina amin’ ny fiangonana ny hery raha mitory isika fa tsy maintsy manao sorona, miaritra fahoriana sy maty ho an’I Kristy. Ny herin’ ny tenin’I Kristy dia tsy ho voafafan’ iza n’iza na toy inona na toy inona fahombiazany na toy inona heriny.