-
Tsy mahatsiaro izay natao taminy ary matetika misafidy ny hanadino ireo zavatra sasantsasany ireo olona mpikomy. Tsy nahatsiaro izay nataon’ ny Tompo ho azy i Jodasy, tsy tsarony ihany koa ireo hitany sy reny tamin’ I Jesosy.Izay ny antony nahatonga azy ho ilay nanana toe-tsaina ambany fantatsika ankehitriny hoe ‘Jodasy’. Ny fahafahana mahatsiaro dia isan’ ny kalitao ara-panahy manan-danja indrindra tokony ananan’ny mpanompon’ Andriamanitra. Ireo olona tsy mahatadidy dia tsy mahomby foana matetika. Tsy vitan’ izy ireo fotsiny tsotra izao ny misandratra amin’ ny ambonimbony kokoa. Ity boky miavaka mikasika an’ io foto-kevitra tsy dia firesaka firy ity, dia fanomezana avy amin’ Andriamanitra ho anao.
-
Ny avonavona dia poizina mahafaty izay nahavoa ny olombelona mandritry ny taona maromaro. Satria tsy mety hita, dia avonavona dia mahavita miteraka fahavoazana lehibe. Ahoana no ahafahantsika miady amin' ireo loza eo amin' ny fiainantsika? Amin' ny vaksinin' ny fanetren-tena! Ny Fanetren-tena dia hatsaran-toetra ara-panahy manan-danja. Vitsy ireo olona mahasahy manoratra mikasika ity hatsaran-toetra ara-panahy mahavariana nefa manan-danja ity. Ao anatin' ity boky vaovao mahafinaritra ity,dia mampiharihary ireo endriky ny avonavona maro i Dag Heward-Mills. Ity boky mahery vaika, nosoratan' ny namana Kristianina nitolona mafy ity, dia hitahy anao sy hamporisika anao hampandroso ny fanetren-tenan' ny Jesosy Kristy tahaka ny ankizy kely.
-
Mandeha eo anivon’ ny loza, fandrika ary fitaka maro ny Kristiana. Hanokatra ny masonao amin’ ireo loza voahevitra tsara miandry hamely, handratra sy hamotika antsika ity boky ity. Ampio ny tenanao, vonjeo ny tenanao ary afaho ny tenanao amin’ ny alalan’ ity boky mahery vaika mikasika ny Loza ara-panahy ity!
-
Feno olona mahay mihatsaravelan-tsihy izay afaka ny ho tonga mpamadika tanteraka ny fiangonana. Ny fanalahidin’ ny satana lehibe indrindra hatrizay dia ny fitaka sy ny fihatsaram-belatsihy. Ireo mpitarika tsy mahita izay saroman’ ny saron-tavan’ ny mpihatsaravelatsihy dia hijaly amin’ ny fahajambany. Fanahy ratsy miady amin’ ny asa fanompoana ny fandrahonana, fifankazarana tafahoatra ary ny fikorontanan-tsaina. Amin’ ny akamaroan’ ny fotoana dia tsy fantatrin’ ny olona akory izay miady aminy. Hanamp anao hamantatra sy heady ny fahavalo avy ao anatinao ity boky ity.
-
Ny olona mandao anao dia afaka ny hanimba anao.Tsy hita izay hanoritsoritana ny fahakiviana, fikorotanan-tsaina, ary tebiteby milatsaka ao aminao rehefa misy olona manalavitra anao. Nosoratana ity boky ity hanampiana anao hiady amin’ ny fahasimbana izay mitady hahazo anao rehefa mandao anao ny olona. Aoka ianao tsy ho voafitaka. Tsy mbola ianao sy ny asa fanompoanao irery no nisy nandao sy nilaozan’ ny olona. Maro no efa nisedra fahoriana tamin’io zavatra io. Satana no nikomy voalohany ary nanainga ny mpikomy rehetra izy avy eo. Miaraka amin’ ity boky ity eny am-pelatananao no hifohazanao ka hiadivanao amin’ ireo fanahin’ ny fivadihana votsotra noho “ireo izay mandao”.
-
Ity boky ity dia dia-penin’i Dag Heward-Mills hafa indray ho an’ireo mpanompon’ Andriamanitra izay mamaky izany. Mamaly ireo fanontaniana mikasika ny fomba fitondrana ny fifandraisana manahirana misy eo amin’ ireo ray sy ireo zanaka lahy ity boky ity. Amin’ ny alalan’ ny fampianarana hita ato amin’ ity boky ity dia hanalavitra ny ozona eo amin’ ny fiainana ianao ary hitondra fitahiana an’ ny tenanao. Olona miavaka ireo ray ilay mpanandratra ireo zanaka lahy sy ireo izay eo ambany fiarovany. Raha tsy misy ny ray dia tsy hisy ireo zanaka hanohy ny asa fanompoana ho an’ ny taranaka hafa. Mamelana na maty araka ny fahaizanao mifandray amin’ ireo rainao ny antson’ Andriamanitra. Vakio ity boky ity koa ialao ny ozona mifandray amin’ ny tsy fanajana, tsy fankatoavana sy fifandraisana kely fotsiny amin’ireo ray.
-
Ny dikan’ilay teny Grika hoe LAIKOS dia “Tsy fananana fahiza-manao”. Nampianatra antsika hatrany hatrany ny tantara fa zavatra lehibe maro no vitan’ ireo olona “tsy manana fahaiza-manao”. Mianara, amin’ ny alalan’ ity boky miavaka nosoratan’ I Dag Heward –Mills ity, ny zava-miseho rehefa tsy misy olon-tsotra miasa ao am-piangonana;ny fomba fizarana ny zioga miaraka amin’ ny olona laika sy ny antony tsy maintsy iadintsika hiarovana ny ministera laika.
-
Miantso olona maro hatrany tokoa Andriamanitra. Ny fiainantsika eto an-tany dia tombotsoa hanompoana Azy, ary Andriamanitra dia mijery tsara ireo izay zavatra ataonao ao amin’ ny Fanjakany. Mamelombelona ny mamaky ity boky ity. Raha milona tanteraka amin’ ny fahamarinana taterin’ ny mpanoratra ianao dia handray fahendrena entinao hampiasana ireo tombotsoa eo amin’ ny fiainana amin’ ny tokony ho izy.
-
Maro ny olona miady mafy amin’ ny resaka fandoavana fahafolo-karena, na dia efa fomba fanao taloha nahatonga harem-be nanamarika ny Jiosy aza izany. Ao anatin’ ity boky ity I Evaka Dag Heward-Mills dia mampianatra ny fomba hifohazan’ ny fitsipiky ny famoronana harena sy fahagagan’ ny fanambinana amin’ ny fandoavana fahafolon-karena. Ankafizo ny iray amin’ ireo boky fianatra nosoratan’ i Dag Heward-Mills mikasika izany.