• Miantso olona maro hatrany tokoa Andriamanitra. Ny fiainantsika eto an-tany dia tombotsoa hanompoana Azy, ary Andriamanitra dia mijery tsara ireo izay zavatra ataonao ao amin’ ny Fanjakany. Mamelombelona ny mamaky ity boky ity. Raha milona tanteraka amin’ ny fahamarinana taterin’ ny mpanoratra ianao dia handray fahendrena entinao hampiasana ireo tombotsoa eo amin’ ny fiainana amin’ ny tokony ho izy.

  • Maro ny olona miady mafy amin’ ny resaka fandoavana fahafolo-karena, na dia efa fomba fanao taloha nahatonga harem-be nanamarika ny Jiosy aza izany. Ao anatin’ ity boky ity I Evaka Dag Heward-Mills dia mampianatra ny fomba hifohazan’ ny fitsipiky ny famoronana harena sy fahagagan’ ny fanambinana amin’ ny fandoavana fahafolon-karena. Ankafizo ny iray amin’ ireo boky fianatra nosoratan’ i Dag Heward-Mills mikasika izany.

  • Maro no nantsoina fa vitsy no voafidy (Matio 23:14) Hita amin'ny fiainana eny tokoa fa maro ny olona nomena fahafahana maro, saingy vitsy tamin'ireny ihany no nanaraotra ireny fahafahana nisokatra ireny. Raha mijery ny Baiboly manontolo koa isika dia hita fa misy karazan'olona tao nantsoina, fa vitsy no voafidy taty aoriana. Nahoana moa no vitsy no voafidy? Io no fanontaniana ngeza indrindra hiezahana ho valiana ato anatin'ity boky ity. Rehefa voavakinao ity boky tsy manam-paharoa ity, izay nosoratan'ilay mpanoratra, be mpividy indrindra ny bokiny, dia Dag Heward-Mills, dia ho hitanao miverimberina ao ireo olona maro nantsoina nefa vitsy no voafidy. Enga anie tsy raisinao tsotsotra ilay antso ary hiasa mafy ianao ho iray amin'ireo voafidy.
     
  • Tsy misaron-tava intsony ireo demony ao anatin’ ity boky fitaratra vaovao Heward-Mills ity.Amin’ ny fampiasana ny fijoroana vavolombelon’ ilay lehilahy adalan’ ny Gadarena no hanehoany ny làlana makany amin’ ny fandresena ireo demony sy ny fanahy ratsy.

  • Dia fahafantarana mampavitribitrika ny fanarahana an’ Andriamanitra. Fahaiza-mianatra taloha nosafidin’ I Jesosy Kristy ho fitsipika nentiny nampiofanana ny fanarahana sy ny fandikana ny hafa. Fotoana hatakarana ny fahatsarana sy ny fanetren-tena amin’ ny fahaiza-manaraka izao fa tsy fialana lavitra izao fotoanan’ ny fomba fampiofanana.Ho hitanao ato amin’ ity boky ity hoe iza, inona ary ahoana ny manaraka tsara. Manome toerana tokony hisy ny fahaiza- manaraka eo amin’ ny traikefantsika Kristiana ity boky feno faranitan-tsaina nosoratan’ i Dag Hewar-Mills ity.

  • Tsy misy foto-dresaka tsara mihoatra ny hoe anaty sitra-pon’ Andriamanitra marina. Ny zavatra iray tena mampiavaka ny ministeran’ ny filazantsara dia ny fahaizany mihaino ny feon’ Andriamanitra an-tsakany sy an-davany. Tena zava-dehibe tokoa ny manaraka ny Fanahy Masina ho ao amin’ ny sitrapon’ Andriamanitra marina. Rehefa ao anatin’ ny sitrapon’ Andriamanitra marina ianao dia hamelana sy hahavita izay irinao rehetra ho an’ Andriamanitra. Ity asa mahatalanjona nataon’i Dag Hewrd-Mills ity dia hisy fiatraikany lehibe eo amin’ ny fiainanao sy ny asa fanompoana.

  • Ny antso ho amin’ ny asa fanompoana dia antso ho amin’ n fitantanana. Dr. Heward-Mills dia maneho indray ireo fitsipika arahina nahatonga azy ho mpitarika Kristianina miavaka, sady toromarika natao ho an’ ny rehetra sy azo apiharina. Ireo fahamarinana voalaza eto dia hanainga fanahy ny maro ho amin’ ny fahaiza-mitantana.

  • Raha mpiandry ny andian’ondrin’andriamanitra ianao dia ho ampiana be tokoa noho io asa tena tsara io. Mirakitra ny fampianarana amin’ ny antsipiriany sady voafantina tsara, antoky ny fahombiazanao ireto pejy ireto. Miainga avy amin’ ny traikefa maha-mmpiandry azy nandritry ny telopolo taona mahery i Eveka Dag Heward-Mills, mba hizarana fahazavan-tsaina azo ampiharina ao amin’ ny asa fanompoana.Tokony maniry ny ho tonga mpiandry ny olon’ Andriamanitra ve ianao, ity ilay boky manoro làlana notadiavinao hatrizay.

  • Ny fananganana fiangonana dia tranga iray izay miely patrana eo amin' ireo mpanompon' ny filazantsara. Asa lehibe nataon' ireo mpianatra voalohany ihany koa izany. Ny fananganana fiangonana mahomby dia mitaky fahaiza-manao ary miankina amin'ny antony maro. Dag Heward-Mills, mpanorina fiangonana karismatika iray maneran-tany misy fiangonana telo arivo, no mitarika antsika amin' ny famakafakana ireo singa samihafa amin' ny fananganana fiangonana ao amin'ity boky ity. Izy ity dia boky fiofanana ho an'ireo mpanompon' Andriamanitra te hanao ny fananganana fiangonana ho tanjony eo amin' ny fianana sy ny asa fanompoana.

  • “… Mandehana ho eny amin’ ny lalambe sy ny sisim-boly, ka tereo ny olona hiditra, MBA HO FENO NY TRANOKO” Lioka 14: 23. Ny ventsom-pon’ Andiamanitra dia ny ahavonjy izao tontolo izao ary ny ahafeno ny tranony – ny fiangonana! Avy amin’ io Fanambarana io no nahaterahan’ ity boky ity, “Fiangonana Goavana” nosoratan’ I Eveka Dag Heward- Mills, mpitandrina ny fiangonana anisan’ ireo fiangonana lehibe indrindra ao Ghana. Tsy ho toy ny teo aloha intsony ny Fiangonanao rehefa avy mamaky ity boky mampahomby ity ianao! “Dr. Heward Mills dia nanolo-tena ho an’ I Jesosy Kristy Tompo sy ny asa fitoriana filazan-tsara eto maneran-tany. Mpitarika Lehibe sy maodely ho an’izay rehetra ao amin’ ny asa fanompoana, ary izahay eto amin’ ny “Church Growth International”, dia tena faly tokoa fa mahafantatra sy miantso an’ i Dr. Dag Heward- Mills hoe namana sy mpiara-miasa ato amin’ ny saham-pijinjana lehibe eto amin’ izao tontolo izao.”-Dr. David Yonggi Cho Filoha, Church Growth International.

  • Tsy isalasalana fa ireo izay nanomana dia miavaka amin'ireo izay tsy nanao izany. Ny fiomanana dia fanomanana ny tenanao amin'ny asa iray eo am-pelatananao. Ao amin’ny Baiboly manontolo, dia asaina miomana amin’izay ho avy isika ary manomana ny tenantsika ho vonona. Hitan’Andriamanitra ny dingana rehetra ataonao mba ho azo antoka fa niomana ny hanatontosa ny Sitrapony ianao. Ny fahavononanao hanompo ny Tompo dia miankina amin’ny fiomananao! Mariho fa na isika aza dia mila miomana rehefa hihaona amin’Andriamanitra! Amin'ity lohateny nandrasan'i Dag Heward-Mills ity, dia hotarihina ianao ahoana ny tokony hatao hiainana ao anaty fahavononana sy fiomanana amin'ny asa tsara rehetra antsoin'Andriamanitra ho ataonao! Hanomboka hiavaka ianao amin'ny alalan'ity boky ity!
  • Mandeha eo anivon’ ny loza, fandrika ary fitaka maro ny Kristiana. Hanokatra ny masonao amin’ ireo loza voahevitra tsara miandry hamely, handratra sy hamotika antsika ity boky ity. Ampio ny tenanao, vonjeo ny tenanao ary afaho ny tenanao amin’ ny alalan’ ity boky mahery vaika mikasika ny Loza ara-panahy ity! Araka ity boky tena miavaka nosoratan’ i Dag Heward-Mills ity dia tsy maintsy mamela ny Fanahy Masina mitaona, manainga,mikasika sy manova ny fiainanao ianao mandrakkizay.

Title

Go to Top