-
Ny Fitombon’ ny Fiangonana dia fantatsika fa tsy azo tsapain-tànana ary sarotra vitaina. Ireo pastera rehetra maniry ny hitomboan’ ny fiangonany.Ity boky ity no valin’ ny fitadiavanao fitombon’ ny fiangonana.Ho azonao ny mahatonga ilay hoe “miara miasa ireo zavatra maro samihafa” hanatanterahana ny fitombom-piangonana. Ry pasitera malala, araka ny fahitan’ireo teny sy hosotra ao amin’ ity boky ity ny lalany anatin’ ny fonao dia hiaina ilay fitobom-piangonana izay efa nentinao am-bavaka hatrizay ianao.
-
Na dia loha-hevitra tsy mahazatra aza, ny fiverenan-dàlana dia trangan-javatra fahita foana eo amin’ ny Kristiana.Maro no manomboka, fa tsy tena maro no maharitra hatramin’ ny farany. Ao amatin’ ity boky ity, mampaneno ny kiririoka I Bishop Dag Heward-Mills, mampiseho an-tsary mihintsy ny antony tsy maintsy hanohizantsika hanao izany hatrany an-Danitra!
-
Mananatra antsika ny Baiboly hoe: "Aza samy mihevitra ny azy ihany, fa samy ny an' ny namany koa." (Filipiana 2:4). Ao amin'ity boky ara-potoana ity, i Dag Heward-Mills dia mametraka fanamby aminao handehananao mihoatra ny fieritreretanao ny momban'ny tenanao ka hieritreretanao ny hafa ihany koa! Tiavo ihany koa ny hafa! Hevero ihany koa ny hafa! Miahỳ ny hafa ihany koa! Miainà ho an' ny hafa ihany koa! Tonga maty ho antsika I Jesosy satria Izy nieritreritra momban' ny "hafa". Te ho toa Azy kokoa aho. Te ho toa an' I Jesosy ve ianao?
-
Miresaka karazan-drà maro ny Baiboly: ran’osy, ran’ ondry, ram-boromailala! Mametraka mazava tsara ihany koa ny Baiboly far aha tsisy fandatsahan-drà dia tsy misy fanadinoana ny fahotana. Noho izany, afaka manila ny fahotantsika ve ireo karazan-draha maro samihafa rehetra ireo? Tsisy afa-tsy ny ran’ I Jesosy Kristy ihany! Ny ran’ I Jesosy irery ihany no manana hery manasa ny fahotantsika sy mitondra famonjena ho antsika. Hahita fahamarinana masina mikasika ny ran’ I Jesosy Kristy ianao ao anatin’ity boky tena manan-danja ity. Ho fantatrao ao hoe ahoana no anomezan’ ny ran’ I Jesosy fiainana ary ahoana no mahazava-dehibe ny ran’ I Jesosy.Ho azonao ny fifandraisana eo amin’ ny Fanahy Masina sy ny ran’ I Jesosy. Tena misy hery tokoa ny ran’ I Jesosy!
-
Ity filazana lalina ity hoe "Ny iray aminareo dia ratsy" dia nataon' I Jesosy Kristy tamin'ny antoko keliny nisy ireo mpianany roa amby folo. Maro amintsika no hampijalian' ny devoly satria isika tsy mahalala ny fomba fampiharihariana azy na ny famantarana ny asa-tanany. Ao amin' ity boky feno fitahiana ity, no hahitanao ny otan' ny devoly ary hanapahanao hevitra tsy handeha mandrakizay ao amin' ireny. Tsy hihatra aminao mandrakizay anie ny fehezanteny hoe" ny iray aminareo dia ratsy"!
-
Fantatrao ve fa ny fiainan'ny olona eto an-tany dia ady? Ao anaty ady isika na nisafidy ny ho ao anaty ady na tsia. Ny Baiboly no miteny fa ady ny fiainanao. Tsy maintsy miady ny ady tsara ianao ary mandresy ny ady. Ity boky vaovao momban' ny ady ity dia boky tsy maintsy vakian'ireo mpitarika rehetra.
-
Ny harena sarobidin' ny hosotra dia ao amin'ny voahosotra. Ny hosotra dia tsy misaraka amin'ny olona izay voahosotra. Ny hosotra dia ao amin' ny lehilahin' Andriamanitra! Ny hosotra dia miaraka amin' ny lehilahin' Andriamanitra! Ny hosotra dia eo amin'ny lehilahin' Andriamanitra. Ity boky vaovao sy mampientanentana izay nosoratan' i Dag Heward-Mills ity dia hampientanentana ireo izay mikatsaka ny hosotra.
-
Eto ihany ny farany ilay boky natokana ho an'ireo pasitera sy vadina pasitera! Tsy mihatra aminao ity boky ity raha tsy pasitera ianao na vadina pasitera! Raha mahafeno ny fepetra amin' ireo afaka mamaky ity boky ity ianao, dia avelao Andriamanitra hitory aminao ao amin' ity boky mahatonga saina ity. Ao amin'ireo pejy ireo, ny andraikitra miafina lalaovin'ireo vehivavy eo amin' ny fiainan'ireo pasitera dia hiharihary. Hananatra anao sy hitarika anao any amin'ireo lalan' ny fitahiana anie ireo pejy ireo!
-
Hanasitrana ny ratran’ ireo zanakavavy ity boky ity!Ao antin’ ity boky izay efa niandrasana fatratra ity, dia anaovana fanamby ny vehivavy hamela ny fanampian’ Andriamanitra hanampy azy ireo handresy ireo zava-misy maro tsy hay atao izay sedrainy.Hikasika ny fiainanao Andriamanitra ary hanome hery ho anao raha makafy ity boky vaovao mahery vaika, nosoratana manokana ho an’ ireo zanakavavy ity ianao
-
Ny hosotra no fanalahidy lehibe indrindra ilaina hoentina manokatra ny varavarana mankany amin’ ny asa fanompoana mahomby sy miroborobo. Betsaka ny olona niezaka nanao ny asan’ Andriamanitra tsy tamin-kitim-po ,ary tsy lasa lavitra satria tsy tonga saina ny amin’ ny hoe “Tsy amin-kery na amim-pahatanjahana,fa amin’ ny Fanahiko (ny hosotra)” [Zakaria 4:6] Ity boky tsy manan-tsahala “Sambory ny hosotra” nosoratan’ I Eveka Dag Heward-Mills ity dia hampianatra anao ny atao hoe fisamborana ny hosotra sy ny fomba ahafahanao mampianatra izany! Avelao ny faniriana ny hosotr’ Andriamanitra hihetsika ao anatinao amin’ny alalan’ireo pejy hitanao ato amin’ity boky ity!