-
Dag Heward-Mills dia mpanoratra boky maro, anisan’ izany “Ny Fahatokiana sy ny Fivadihana” izay be mpividy indrindra. Izy no mpanorina ny Fiangonana Mitambatra niatomboka tamin' ny Fikambanam-Piangonana Lighthouse izay miisa telo arivo ankehitriny. Dag Heward-Mills, mpitory filazantsara maneran-tany, mpanompon' Andriamanitra ao amin' ny Kroazady Jesosy Manasitrana (Healing Jesus Crusades) ary kaonferansa maneran-tany. Mba hafantaranao bebe kokoa dia tsidiho ny www.daghewardmills.org
-
Ny lohatenin' ity boky ity dia mahatonga anao mieritreritra avy hatrany ireo ankizy kely mihira amin' ny fifaliana… Mamaky ny Baibolinao isan'andro ve ianao? Mivavaka isan' andro ve ianao? Hanokatra ny masonao amin' ilay boky tsy manan-tsahala antsoina hoe Baiboly ity boky ity. Hanokatra anao ho amin' ireo fahagagana izay tonga aminao isan'andro ihany koa izy rehefa mamaky Baiboly sy mivavaka isan' andro ianao. Ny famakianao baiboly isan'andro sy ny vavakao isan'andro anie ho fankafizana ho anao!
-
Ny fiainana dia afaka ny ho fanamby amin'ny olona rehetra. Amin' ny fotoana maro ny zavatra ilainao ahafahanao mandresy izay manahirana anao dia ny fahendrena. Ny fahendrena no tsiambaratelon' Andriamanitra izay hanampy anao hitsangana amin' ireo tolona atrehanao ho amin' ny zava-mahagaga velona. Nandidy anao ho amin' ny voninahitra Andriamanitra. Ny tsiambaratelon' Andriamanitra dia ny fahendren' Andriamanitra ao amin' ny zava-miafina izay nodidiana ho amin' ny voninahitrareo sy ny fahatsarana. Hanome fandresena ho anao isan' andro anie ireo fanambarana raketin'ity boky ity! Hanome anao fahalalana enti-mandresy anie ity boky ity!
-
Mety efa nahare ianao fa zavatra lehibe ny manompo ny Tompo; fa mety tsy noheverinao mazava tsara ny hoe lehibe toy ny ahoana ny manompo ny Tompo Andriamanintsika. Ao anatin' ity boky miavaka nosoratan'i Dag Heward-Mills ity no hahatakaranao hoe iza no mpanompon' Andriamanitra ary ahoana no ahafahanao manompo ny Tompo. Ho fantatrao tsara anie ny fahasamihafana eo amin' ireo izay manompo ny Tompo sy ireo izay tsy manompo Azy! Ho isaina miaraka amin' ireo izay manompo ny Tompo anie ianao!