I Bishop Dag Heward-Mills dia dokotera medikaly raha ny asa nataony ary mpanorina ny United Denominations Originating from the Lighthouse Group of Churches (UD-OLGC) na ny fiangonana mitambatra niorina avy amin’ireo fiangonan’ny mpikambana Lighthouse. Ny UD-OLGC dia ahitana fiangonana telo arivo entin’ireo mpanompon’Andriamanitra voahosotra, nitombo sy niofana tao. I Bishop Dag Heward-Mills no miahy ireo fikambanam-piangonana karismatika ireo, izay hita manerana ireo firenena maro samihafa 90 ao Afrika,Azia,Eoropa, any Karibiana,Aostralia, sy Amerika Avaratra sy Atsimo.
Tao amin’ny asa fanompoana maherin’ny dimy amby roapolo taona, i Dag Heward-Mills dia mpanoratra boky maro isan’ny be mpividy indrindra,ao anatin’izany ny ‘Fahaiza-Mitarika’, ‘Fahatokiana sy Fivadihana’, sy ‘Ny Fiangonana Goavana’. Izy dia fantatra ho mpanoratra mpamoaka boky lehibe indrindra ao Afrika, manana ireo bokiny voadika amin’ny fiteny 30 ary mihoatra ny 20 tapitrisa ireo boky voadika efa natonta.
-
Nandray an'I Jesosy Kristy ho Tompo sy Mpamonjina ianao dia voavonjy! Kristiana nateraka inndray ianao ary voasoratra ao amin' ny bokin'ny fiainana ny anaranao. Ny fanontanianao dia hoe: "Inona no dingana raisina manaraka?" Dingana tsara ny nahatongavanao ho Kristiana, nefa fiatomboany fotsiny izany. Mila tonga Kristiana tsara, mahery ianao. 'Koa ahoana no anaovako izany?' - Ao amin'ity boky tsotra ity dia hianatra ireo dingana raisina hahatongavana sy hijanonana ho Kristiana mahery izay sady vonona ho amin' ny fahafatesana sy ho amin' ny fampakarana ianao.
-
Mamboraka ny iray amin’ ireo tsiambaratelony i Dr. Dag Heward-Mills, ilay mpitarika Kristiana tena miavaka. “Raha misy manontany ahy ny amin’ ny tsiambaratelo lehibe indrindra amin’ ny fifandraisako amin’ Andriamanitra, dia tsy ampisalasalana no hilazako fa ny herin’ ny fotoana mangina ananako miaraka Aminy isan’ andro izany.”Nanapa-kevitra ny hanoratra ity boky ity izy mba ahafahano mahazo tombotsoa avy amin’ ny herin’ ny fotoana mangina ihany koa.
-
“Ahoana no tokony fivavako? Mikasika ny inona no tokony ho entiko am-bavaka? Nahoana ny vavaka no tena zava-miafina?Ahoana no hivavahako mandritry ny fotoana lava-be? Tsy efa fantatr’ Andriamanitra sahady ve izay ilaiko? Inona no mitranga raha tsy mivavaka aho? Ho valina marina ve ny vavako?” Jereo ny valin’ ireo fanontaniana ireo eo am-pamakianao ity boky azo ampiharina sady tonga ara-potoana nosoratan’ I Dag Heward-Mills ity.
-
Ity boky ity dia toro-làlana tsara indrindra hahatakarana ny famonjena tamin’ ny alalan’I Jesosy Kristy.Ao antin’ityboky azo atao maodely ity, no hahatakaranao ny refim-pitiavan’ I Jesosy anao, ny fomba aterahanao indray, ny fomba hisorohanao ny fandehanana any amin’ ny helo ary ny dikan’ ny hoe tonga olom-baovao ao amin’ ny Kristy Jesosy.
-
Fantatrao ve fa ireo mpaminany taloha, nanontany sy nikaroka izao famonjena lehibe izay natao ho aseho antsika izao? Tsy nahazo sary an-tsaina izy hoe ahoana hahatongavan'ity famonjena ity amin' ny olona…fa isika dia sambatra mandray izao famonjena izao! Nahazo famonjena isika satria nisy olona niteny antsika mikasika izany. Ao anatin' ity boky mahavariana ity, i Evangelista Dag Heward-Mills mitarika antsika tsy hahatakatra ny famonjenantsika lehibe fotsiny ihany fa sady mampianatra antsika ny fomba fizarana ity filazantsaran'ny famonjena antsika ity amin' ireo hafa ihany koa. Hanao ny asan' ny evanjelista anie isika tsirairay avy!
-
Misy ve ny ankoatry ny voajanahary ankehitriny ?Afaka manao fandidina any amin’ ny ankoatry ny voajanahary ve aho?Raha mbola manasitrana ny olona Andriamanitra, Maninon’ Izy no tsy manasitrana ny olona rehetra?Ahoana no ahafahako mandray ny hosotry ny fanasitranana?Fantaro ny valin’ireo sy ny fanontaniana maro mikasika ny fisehon’ ny Fanahy Masina anatin’ ity boky mahafinaritra nosoratan’i Dag Heward-Mills ity.
-
Mianara mikasika ity hery fanerena ity izay mahatonga ny fitoriana filazan-tsara mahomby sy mahavokatra na dia eo anoloan’ ny fanoherana, fialan-tsiny, fiahiahiana, fahasorenana sns aza. Ity boky nosoratan’ ny Dag Heward-Mills ity dia afaka manao anao ho mpamonjy fanahin’ olona mihoatra noho ny hatrizay.
-
Ao amin’ity asa miavaka ity,Dag Heward-Mills dia mandalina ny zava-misy marina amin’ny fiainana ao amin’ ny asa fanompoana ankehitriny.Miresaka mikasika ireo olana tena mitranga toy ny ara-bola, pôlitika, fifandraisa amin’ ny lahy sy ny vavy, sy ny resaka ao amin’ ny asa fanompoana. Toro-làlana iombonana mankany amin’ ny fitsipika mihatra amin’ ny antsona, tsy maintsy ananana ity boky ity ho an’ ireo Kristiana mpitarika rehetra. Tena takiana be mihintsy ho an’ ny fianarana baiboly ary ho an’ny mpitandrina amin’ ny akapobeny.
-
Manambara ny fitsipika mahataitra izay mamehy ny fanambinana sy ny harena I Jesosy Kristy. Hanana mihoatra ireo izay manana! Toa tsy rariny izy izany! Anefa, izany ny zava-misy miseho eo anoloantsika isan’ andro. Miezaka manazava an’ io Soratra masina vitsy mpahatakatra io ity boky ity. Handray fahazavan-tsaina lehibe ianao ao amin’ ny zava-mifin’ ny fanambinana, eo ampianarana ity boky vaovao nosoratan’ I Dag Heward-Mills ity.
-
Eo amban’ny fanerena te hampifaly sy hampatalanjona ny vahoaka amin’ ny vaovao tsara ireo pastera. Io tsindrin’ ny olona io no miteraka fanodikodinana ny tenin’ I Kristy mandrapahasarotra ny hamantararana ny hafatry ny hazofijaliana. Ankehitriny, miverina amin’ ny fahamarinana fototra amin’ny maha Kristiana isika ka tsy maintsy “manary” isika mba “hahazo” an’I Kristy. Hiverina amin’ ny fiangonana ny hery raha mitory isika fa tsy maintsy manao sorona, miaritra fahoriana sy maty ho an’I Kristy. Ny herin’ ny tenin’I Kristy dia tsy ho voafafan’ iza n’iza na toy inona na toy inona fahombiazany na toy inona heriny.
-
Ny hoe mampandroso fahaizana dia mampandroso fahaiza-manao na paik’ ady. Ny Baiboly dia milaza fa ny fiarovana dia ho an’ ny olon hendry. Ny asa ao amin’ ny asa fanompoana dia mitaky fahaiza-manao goavana. Tena loharano ilaina tanteraka ity boky “Fahaizana Manao Ministera” ity ho an’ireo rehetra maniry ny anao ny asan’ ny ministera. Manolotra mazava tsara ny fieritreretana mety sy ny tsy mety mikasika ny ministera, ny asa hita ao amin’ny ministera, ny zavatra takiana aminao amin’ ny maha mpiasa anao ao amin’ ny ministera sy ny fomba fanaovana ny raharaha ao amin’ ny ministera. Efa nametra-panontaniana mikasika ny asanao ao amin’ ny ministera ve ianao?Hametraka fanamby anao ity boky nosoratan’ i Dag Heward-Mills ity handehananao mendrika ny antson’ Andriamanitra sy hitarika anao hanome ny tenanao manontolo amin’ny asan’ ny ministera.
-
Na dia fangatahan’ Andriamanitra voalohany amin’ ny mpitarika aza izany dia vitsy tokoa ireo zavatra voasoratra mikasika an’io loha-hevitra io. Tsipihan’ i Dag Heward-Mills mazava tsara ireo fomba fanao tena manan-danja ao anatin’ ity boky ity izay mba hampitombi ny tsy fiovaovana ao amin’ ny fiangonana. Ny zavatra voarakitra ao amin’ ity boky ity dia tena mety sady mora ampiharina hany ka lasa fitaovana tsy azo ialana ho an’ ireo mpitondra fiangonana.
-
"Ary raha mitsangana mivavaka hianareo, ka misy olona anananareo alahelo, dia MAMELA NY HELONY, mba havelan' ny Rainareo Izay any an-danitra kosa ny helokareo.Fa RAHA HIANAREO TSY MAMELA HELOKA, NY RAINAREO IZAY ANY AN-DANITRA KOSA TSY HAMELA NY HELOKAREO. (Marka 11: 25-26). Mampangovitra anao ve ireo andinin-tsoratra masina roa ireo? Noho izany eto ny vaha-olanao. Ao amin' ity boky tena ilaina fatratra ity no hianaranao mamela heloka mora foana - mba ahafahana mankafy ny famelan-keloky ny Raintsika any an-danitra ihany koa. Avelao ity boky ity hanaraka anao mandram-pahatonga anao eo amin' ny teboka iray izay hahavitanao mamela heloka mora foana sy amin-kitsimpo.
-
Zava-dehibe ho an' ireo Kristiana vaovao ny mahatakatra ireo fototry ny famonjeny sy ny mianatra ireo fitsipika izay mifehy ny fiainany vaovao. Ireo Zava-Marina ho an' ireo Mpino Vaovao dia natao hitsena izany zavatra ilaina izany ary hamatsy fototra ho an'ireo Kristiana vaovao handehanany amin' ny fandresena ao amin' ny finoany vao niorina
-
Ao anatin'ity boky tsotra ity i Dag Heward-Mills dia manome fomba fijery mazava azo ampiharina momba ny fanambadiana. Ity boky mahatalanjona ity dia ho toy ny fitaovana ilaina voaomana ho an'ny mpanolon-tsaina amin' ny mariazy sy ireo mpivady vita mariazy. Ho hitanao ato amin'ity boky ity tokoa ireo torohevitra mamelombelona sy mampientanentana mba hanatsarana ny fanambadianao.
-
Raha mandeha mamakivaky ny fiainana ianao dia hahita fa ny tontolo tsy hita maso no tontolo tena izy ary ity tontolo ara-batana ity dia mampiseho ny sasany ihany amin' ireo zavatra ao amin' ny tontolo tsy hita maso. Toy ny fanananao fahavalo hita maso ihany, dia manana fahavalo tsy hita maso ihany koa ianao. Afaka miady amin' ny fahavalo ve ianao raha tsy fantatrao izy, ireo paikadiny, ny fombany sy ny fitaovam-piadiany? Ity boky ity dia fitaovana tena ilaina ho an' ny dia eo amin' ny fiainanao. Ao amin' ity boky ity dia hianaranao hoe iza ireo fahavalonao, ny fototry ny fisiany, ireo toetrany ary ny fomba fiadiana manohitra azy ireo. Hanampy anao handresy ireo fahavalonao tsy hita maso anie ity boky sarobidy ity!
-
Tsy misy amintsika ny mikasa ny ho tonga any an-danitra raha tsy nahavita izay tian' Andriamanitra ho ataontsika eto an-tany. Tsy misy, na iray aza! Te hamita ireo asa izay nampanaovin'Andriamanitra antsika isika. Ity boky ity dia mikasika ny fomba hamitanao ny asa fanompoanao. Ity boky ity dia fitarihana amin' ny fomba ahafahantsika mamaly ireo zava-mitranga avy amin' Andriamanitra eo amin' ny fiainantsika - mba tsy hangaina amin' izany andro izany. Hahatanteraka ny asa fanompoanao anie ianao ary Andriamanitra anie hiteny aminao hoe, "Tsara izany, ry mpanompo tsara sady mahatoky!"
-
Isika rehetra dia samy miandrandra ilay fiainana feno voninahitra izay "TSY HISY OZONA INTSONY!" Ny antony dia satria eto amin'ity fiainana ity isika miatrika zava-doza, fahasorenana miverimberina, zava-poana, tsy fifaliana ary fahasosorana. Ozona no tena mahalaza ireo traikefa mampalahelo toa hatrehantsika ireo. Afa-mandositra ve isika? Misy làlana ivoahana ve? Ity boky ity dia hanampy anao hahatakatra ireo ozona sy hahalala ny fomba fandaharanao ny tenanao ho amin'ny fitahiana.
-
Maro amintsika no tsy mahatakatra ny fomba fifandraisan' ny tantaran' ny hazo fahalalana ny tsara sy ny ratsy ao anaty Baiboly amintsika. Mihevitra isika fa trangan-javatra mampalahelo nahavoa an' i Adama sy Eva izany ary hoe isika efa nandositra izany. Efa nandositra niala tamin' ny hazon' ny fahalalana ny tsara sy ny ratsy marina ve isika? Ao amin' ity boky tsotra ity, no hahitanao fa ny hazo fahalalana ny tsara sy ny ratsy dia mbola misy ankehitriny. Ho hitanao ihany koa fa manolotra fakampanahy amintsika toy ny nataony teo amin' i Adama sy Eva ilay izy. Ho hitanao ihany koa ireo marina izay hanampy anao hamakivaky ny fiainana sy ny asa fanompoana amin'ny fampiasana ny fahalalana azonao ao anatin' ity boky ity.
-
Zavatra iray ihany no tonga ao an-tsainao rehefa maheno ny teny hoe “Mpiandry ondry” ianao – ondry! Ny ondry dia zava-manan’aina tsy mahaleo tena mila mpiandry. Ny mpiandry dia mpitari-dàlana mikarakara sy mitia ny ondry. Ao anaty baiboly Andriamanitra dia mahita antsika toy ny ondry eny amin’ ny ahitr’ Andriamanitra. Niteny an’I Petera ihany koa Jesosy hamahana ny ondriny mba ho porofon’ ny fitiavany ny Mpamonjiny. Ny maha mpiandry dia asa tena lehibe. Tena voninahitra lehibe ny voaantson’ Andriamanitra hiditra ao amin’ ny asany sy ny fikarakarana ny ondriny. Manasa antsika, manentana antsika ary maneho antsika ny fomba mety hidirantsika amin’ ny asa lehibe dia ny fiambenana ny olon’ Andriamanitra. Aoka ianao tsy ho tara amin’ io asa mahafinaritra amin’ ny fahatongavana mpiandry io!
-
Maniry ny ho voahosotra ve ianao? Mizara ireo dingana maromaro makany amin’ny fandraisana ny hosotra i Dr. Heward-Mills ao anatin’ ity boky araka ny tantara ity. Tena ho fitahiana lehibe indrindra ho anao sy ny asa fanompoanao tokoa ity boky ity. Fantaro ireo dingana mila raisinao ahavoahosotra anao!
-
Miteny antsika ny Baiboly fa manao fahadisoana avokoa isika rehetra – tsy afa-miala amin’ izany ihany koa ire pastera. Ny fahadisoana dia mahatonga anao hihemotra raha tokony handroso. Fahadisoana iray afaka mampijanona anao tsy handroso any aloha.Inona no fahadisoana mety ataon’ ny pastera? Inona avy ireo fahadisoana folo fataon’ ny pastera?