• Ny hoe mampandroso fahaizana dia mampandroso fahaiza-manao na paik’ ady. Ny Baiboly dia milaza fa ny fiarovana dia ho an’ ny olon hendry. Ny asa ao amin’ ny asa fanompoana dia mitaky fahaiza-manao goavana. Tena loharano ilaina tanteraka ity boky “Fahaizana Manao Ministera” ity ho an’ireo rehetra maniry ny anao ny asan’ ny ministera. Manolotra mazava tsara ny fieritreretana mety sy ny tsy mety mikasika ny ministera, ny asa hita ao amin’ny ministera, ny zavatra takiana aminao amin’ ny maha mpiasa anao ao amin’ ny ministera sy ny fomba fanaovana ny raharaha ao amin’ ny ministera. Efa nametra-panontaniana mikasika ny asanao ao amin’ ny ministera ve ianao?Hametraka fanamby anao ity boky nosoratan’ i Dag Heward-Mills ity handehananao mendrika ny antson’ Andriamanitra sy hitarika anao hanome ny tenanao manontolo amin’ny asan’ ny ministera.

  • Na dia fangatahan’ Andriamanitra voalohany amin’ ny mpitarika aza izany dia vitsy tokoa ireo zavatra voasoratra mikasika an’io loha-hevitra io. Tsipihan’ i Dag Heward-Mills mazava tsara ireo fomba fanao tena manan-danja ao anatin’ ity boky ity izay mba hampitombi ny tsy fiovaovana ao amin’ ny fiangonana. Ny zavatra voarakitra ao amin’ ity boky ity dia tena mety sady mora ampiharina hany ka lasa fitaovana tsy azo ialana ho an’ ireo mpitondra fiangonana.

  • Ny tanjona mandrakizain’Andriamanitra ho antsika dia fahavokarana. Ao amin’ny Jaona15:16, Jesosy Tompo dia nanendry ny mpianany mba handeha sy hamoa”. Mijery anao Andriamanitra tahaka ny hazo iray tsy maintsy mamoa. Ao amin'ity boky feno fampiharana ity, Bishop Dag Heward-Mills dia mitondra antsika ao amin’ny Lalàn'ny Fahavokarana ara-Baiboly isan-karazany nalaina avy ao anaty Baiboly. Ho taitra ianao mba hamoa be dia be- ary voa izay haharitra tokoa!
  • "Ary raha mitsangana mivavaka hianareo, ka misy olona anananareo alahelo, dia MAMELA NY HELONY, mba havelan' ny Rainareo Izay any an-danitra kosa ny helokareo.Fa RAHA HIANAREO TSY MAMELA HELOKA, NY RAINAREO IZAY ANY AN-DANITRA KOSA TSY HAMELA NY HELOKAREO. (Marka 11: 25-26). Mampangovitra anao ve ireo andinin-tsoratra masina roa ireo? Noho izany eto ny vaha-olanao. Ao amin' ity boky tena ilaina fatratra ity no hianaranao mamela heloka mora foana - mba ahafahana mankafy ny famelan-keloky ny Raintsika any an-danitra ihany koa. Avelao ity boky ity hanaraka anao mandram-pahatonga anao eo amin' ny teboka iray izay hahavitanao mamela heloka mora foana sy amin-kitsimpo.

  • Zava-dehibe ho an' ireo Kristiana vaovao ny mahatakatra ireo fototry ny famonjeny sy ny mianatra ireo fitsipika izay mifehy ny fiainany vaovao. Ireo Zava-Marina ho an' ireo Mpino Vaovao dia natao hitsena izany zavatra ilaina izany ary hamatsy fototra ho an'ireo Kristiana vaovao handehanany amin' ny fandresena ao amin' ny finoany vao niorina

  • Ao anatin'ity boky tsotra ity i Dag Heward-Mills dia manome fomba fijery mazava azo ampiharina momba ny fanambadiana. Ity boky mahatalanjona ity dia ho toy ny fitaovana ilaina voaomana ho an'ny mpanolon-tsaina amin' ny mariazy sy ireo mpivady vita mariazy. Ho hitanao ato amin'ity boky ity tokoa ireo torohevitra mamelombelona sy mampientanentana mba hanatsarana ny fanambadianao.

  • Raha mandeha mamakivaky ny fiainana ianao dia hahita fa ny tontolo tsy hita maso no tontolo tena izy ary ity tontolo ara-batana ity dia mampiseho ny sasany ihany amin' ireo zavatra ao amin' ny tontolo tsy hita maso. Toy ny fanananao fahavalo hita maso ihany, dia manana fahavalo tsy hita maso ihany koa ianao. Afaka miady amin' ny fahavalo ve ianao raha tsy fantatrao izy, ireo paikadiny, ny fombany sy ny fitaovam-piadiany? Ity boky ity dia fitaovana tena ilaina ho an' ny dia eo amin' ny fiainanao. Ao amin' ity boky ity dia hianaranao hoe iza ireo fahavalonao, ny fototry ny fisiany, ireo toetrany ary ny fomba fiadiana manohitra azy ireo. Hanampy anao handresy ireo fahavalonao tsy hita maso anie ity boky sarobidy ity!

  • Tsy misy amintsika ny mikasa ny ho tonga any an-danitra raha tsy nahavita izay tian' Andriamanitra ho ataontsika eto an-tany. Tsy misy, na iray aza! Te hamita ireo asa izay nampanaovin'Andriamanitra antsika isika. Ity boky ity dia mikasika ny fomba hamitanao ny asa fanompoanao. Ity boky ity dia fitarihana amin' ny fomba ahafahantsika mamaly ireo zava-mitranga avy amin' Andriamanitra eo amin' ny fiainantsika - mba tsy hangaina amin' izany andro izany. Hahatanteraka ny asa fanompoanao anie ianao ary Andriamanitra anie hiteny aminao hoe, "Tsara izany, ry mpanompo tsara sady mahatoky!"

  • Isika rehetra dia samy miandrandra ilay fiainana feno voninahitra izay "TSY HISY OZONA INTSONY!" Ny antony dia satria eto amin'ity fiainana ity isika miatrika zava-doza, fahasorenana miverimberina, zava-poana, tsy fifaliana ary fahasosorana. Ozona no tena mahalaza ireo traikefa mampalahelo toa hatrehantsika ireo. Afa-mandositra ve isika? Misy làlana ivoahana ve? Ity boky ity dia hanampy anao hahatakatra ireo ozona sy hahalala ny fomba fandaharanao ny tenanao ho amin'ny fitahiana.

  • Maro amintsika no tsy mahatakatra ny fomba fifandraisan' ny tantaran' ny hazo fahalalana ny tsara sy ny ratsy ao anaty Baiboly amintsika. Mihevitra isika fa trangan-javatra mampalahelo nahavoa an' i Adama sy Eva izany ary hoe isika efa nandositra izany. Efa nandositra niala tamin' ny hazon' ny fahalalana ny tsara sy ny ratsy marina ve isika? Ao amin' ity boky tsotra ity, no hahitanao fa ny hazo fahalalana ny tsara sy ny ratsy dia mbola misy ankehitriny. Ho hitanao ihany koa fa manolotra fakampanahy amintsika toy ny nataony teo amin' i Adama sy Eva ilay izy. Ho hitanao ihany koa ireo marina izay hanampy anao hamakivaky ny fiainana sy ny asa fanompoana amin'ny fampiasana ny fahalalana azonao ao anatin' ity boky ity.

  • Hoy Jesosy: hendre tahaka ny menarana ary morà tahaka ny voromailala. Hendry tokoa ve ny menarana? Nahoana I Jesosy no manome toro-hevitra toy izany? Raiso ny dianao ao amin'ity boky mahaliana nosoratan'i Dag Heward-Mills ity, ary fantaro ny fahendrena miafina ananan' ny menarana.

  • Zavatra iray ihany no tonga ao an-tsainao rehefa maheno ny teny hoe “Mpiandry ondry” ianao – ondry! Ny ondry dia zava-manan’aina tsy mahaleo tena mila mpiandry. Ny mpiandry dia mpitari-dàlana mikarakara sy mitia ny ondry. Ao anaty baiboly Andriamanitra dia mahita antsika toy ny ondry eny amin’ ny ahitr’ Andriamanitra. Niteny an’I Petera ihany koa Jesosy hamahana ny ondriny mba ho porofon’ ny fitiavany ny Mpamonjiny. Ny maha mpiandry dia asa tena lehibe. Tena voninahitra lehibe ny voaantson’ Andriamanitra hiditra ao amin’ ny asany sy ny fikarakarana ny ondriny. Manasa antsika, manentana antsika ary maneho antsika ny fomba mety hidirantsika amin’ ny asa lehibe dia ny fiambenana ny olon’ Andriamanitra. Aoka ianao tsy ho tara amin’ io asa mahafinaritra amin’ ny fahatongavana mpiandry io!

Title

Go to Top